FITIAVANA IHANY (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
toa mahagaga loatra ny fiainana an-tany;
sahirana lava, mifaly, tomany
ny ory milom-pijaliana eny ihany.
fitiavana anefa no anton'izany!

indraindray anefa toa sambatra koa,
migoka hafaliana tovozin-tsy lany;
'zay tazana rehetra mitsiky avokoa,
fitiavana ihany no anton'izany!

Ny lasana rehetra, ireo vita taloha
Toa tiana hiainana be fahatany.
Dia aza miteny fa fantatro koa:
Fitiavana ihany no anton’izany!

Izay nokinasa na ratsy na soa;
Ny hoavy rahampitso mamero vinany,
Toa hita an-tsary mazava ao an-doha.
Fitiavana ihany no anton’izany!

Ny anio mistery mitsetra ny lasa,
Miantso ny hoavy hivimbina mamy.
Dia lafatra foana ny fomba fikasa…
Fitiavana ihany no anton’izany!

RIANTSOA (04/06/2012)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
209 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0271