MPISOLOKY (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hendry, hono, izato ianao;
tsy hamadika na oviana,
tia ny masaka am-potony,
tsy mpioty ny mangidy!
Aiza ho aiza izany izao,
sa natao fampatoriana,
fanafenanao ny lotony
ho an'izay tsy mitadidy?

Inay aho tsy sodoky
ny endrikao mareva-doko
....ilay kintam-pifaliany
norombahanao bontolo!
Eh! ianao ry mpisoloky;
averenonao ny foko
f'efa misy tompony iny,
efa azy manontolo!

RIANTSOA (13/04/2011 22:00)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137