NY TENA FAHALEOVAN-TENA (M.T.I.M.) - Riantsoa

Mpanoratra : Riantsoa
Nampiditra : rainstorm
Daty : 27/01/2012
Mpamangy : 105
Isa : 0
Fidio :







Tsy nosandaina harena
na vola sesehena,
tsy ireny tsy akory;
fa na manana na ory
dia afaka mitaiza
ny fahaleovan-tena.
Anefa, hoentina aiza?

Fety hafa mihitsy,
fa tsy hoe fahatany,
ny fetim-pirenena.
Ny masina no vitsy
dia masina  ny tany;
ka, ré, aza hosena
ny fahaleovan-tena

Ny fetim-pirenena
tsy, fotsiny, natao
mba hihinanan-kena,
f'ny heviny d'izao:
"Mahaleo Tena
Isika Malagasy"
ka aza avela hilasy
fa ahodino hatrany
ny hafa-manan-kasin'
izany teny izany

Fa herimpon'ny maro
niharo rà mandriaka
no efa nifangaro
ka nahafahantsika
ho tonga firenena
nandray, fa tsy nomena,
ny fahaleovan-tena

'lay hiaka "Fandrosoana"
toa mamintsika ery.
Fa raha sanatria
ka dimam-polo taona
no fisasahan-dia,
ho kivy ve isika?
Izany dia midika
hoe eo no hijerena
ny tena fahaleovan-tena

RIANTSOA     (24/06/2011     22:40)

Hevitra mandeha

gemaS (20/02/2012 14:46:55)

tena tsara!!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha