You are here: home > Vetso

Mangina - Rahira

                                
Mipololotra mora,
Miakatra manakatra iny am-paratazana iny
ny setro-takariva nilaozam-pahazavana
Ireny antokom-borona misidina ary hidina
ny akaniny fonenany, mandalo ity tanàna.
Manokombariolona.

Ndry! Ireto havoana toa manjombonjombona endrika
Dia nangina kalo koa ny lohasaha midadasika.
Manatona tsy mihamba izato vola-manjopiaka
Ny masoandro aza efa rendrika
Efa tapimandriolona.

Toa niato indray sahady ireny antsa maro loko
nilaozan'ny korana,nodimbiasim-pahanginana
Dia nangina teo daholo na ireo mivetso vazo
na mivazo vetsovetso.Dia nangina koa ny tany
Dia injao mamantonalina.

Hametraka hevitra

Midira aloha