Sary sy teny (Rahira)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sary sy teny

Injao manako mora
feon-kira eny ho eny,
manidina eny an'habaka
ny sary sy ny teny.

Ny fon'ireo poeta
no injao fa re miaina,
mandrotsy ny fanahy,
mandrotsirotsy saina.

Dia kanto sady manja
ny fofon-drivo-manitra.
Feno vovo-kintana
miraraka eny an-danitra.

Injao manako mora
feon-kira eny ho eny .
Manidina eny an'habaka
ny sary sy ny teny
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/ny-ako/sary-sy-teny
Sokajy : Aingam-panahy
858 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rahira
Nampiditra : Nyakosombinaina
Daty : 20/03/2018 03:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2188