You are here: home > Vetso

Ianao ilay poety - Rahira

Azo vakiana?

                              Ianao ilay poety
Ianao ilay poety mandrindra andian-teny,
Manoratra ny nofy ho tonga sary miaina
hitoetra ao an-tsaina

Miezaka manondraka ny vonin-kasambarana
handoko ny tontolo

Ianao ilay poety fatra-mpanakanto ny zava-manodidina
Mandango sy milanto ny soratrao mazàna
kanefa misy ihany mamorom-pery anaty.

Ianao ilay poety,
tsy mihamba raha milaza ny tena zava-marina ambadiky ny fantatra
Ianao koa angamba mety efa mahalala
ireo fanalahidin'ny fiainana ankamantatra

Fa ny tena hafakely,
Misy ilay poety ivelan'ny poety
Tsy nikalo ho anao ny fony nefa izay dia poeta
Ary tsy manoratra izay na dia hoe nangetaheta.
Ka tsy izao akory izay fa:ianao ilay poety
nitoetra ho mankafy.

Hametraka hevitra

Midira aloha