You are here: home > Vetso

Sary vitsivitsy - Rahira

Azo vakiana?

                          Sary vitsivitsy
Nisy sary tavela
vitsivitsy atao an-tsaiko
Sisa tsy voadoronao
tamin'ireo izay sarintsika
niarahana nipika
Raha ianao lasa nandao

Fa nafeniko anao mafy
izy ireto tamin'iny
Sao ireto efa vitsy
hany sisa voatahiry
dia nodoranao tao koa
Ka hampangirifiry
ny foko sy ny saiko.

Tsy dia ahoako loatra
ireo lasa lavenona
fa nisy vitsivitsy
voatahiry sy nafenina
miraikitra atao an-tsaiko.
Ary ataoko ho porofo
fa nisy andro tamin'izany
niarahan-tsika niaina.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha