You are here: home > Vetso

Maraina vaovao - Ny Kanto

Vao mangiran-dratsy
Nifoha nitady anao
Ao anatin’ny aiziko ao
Miantsoantso mitalaho :

Andriamanitra ô henoy
Mba henoy  ny fitarainako
Ankimpio ny masonao
Tsy hijery ny ota niainako

Andriamanitra ô jereo
Mba jereo ny fahalemeko
Asehoy ny herinao
Hamaha ireo fatotro mangeja

Andriamanitra ô raiso
Mba raiso ho ao antratranao
Rakofy ilay fitiavanao
Ny fivavako mihento

Andriamanitra ô valio
Mba valio ny antsoantsoko
Sokafo koa ny molotro
Hahaizako misaotra anao

Andriamanitro ô ampio
Mba ampio aho anio
Ampahirato ny masoandroko
Dia ho tsapako ianao

Andriamanitr ô tahio
Mba tahio sy harovy
Halalao ny fari-taniko
Mitoera amiko ny tànanao

Andriamanitra ô lazao
Mba lazao indray anio
Misia ny mazava
Ho sarobidy eo imasonao


Ny Kanto, St François 5ora20min maraina, 2004-05-10

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha