Ny Fahatsarana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Fahatsarana

Tsy omena fa nomena
... Fanomezana

Tsy tazanina, mpitazana
... Fampitazana

Tsy mangina, mampangina
... Fahanginana

Feno, tsy mameno
... Fahafenoana

Fisiana, fahagagana
... Fahazavana

Sarotra faritana, tsy azo lavina
... Fahalalahana

Bitsi-po, hiram-panahy
... Mandrakizay ???

Ny Kanto. Aogositra 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2612 0
Hevitra mandeha
Oully ( 26/08/2006 10:01)
Waooouhh !!! lalina be. Mahay ny mpanoratra. Andamioly.
Malalason ( 26/08/2006 12:25)
han han han!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 26/08/2006 08:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115