Mihelina - Ny Kanto
Azo vakiana?
Mihelina,
Mihelina ihany Ra-olombelona
Mifandimbidimby sy aelin’ny rivotra
Fa ny asa navelany ho antsain-ko velona
Ny soa hitsingerina, ny ratsy ho ringitra
Ny soa tavela sy ny firoborobony
Tsy hitsahatra hatreo ny fisandratany avo
Toa tononkalo amin’ny firedoredony
Tsy mety maty sy tsy mety lavo
Ny mamela mamy, maty miadana
E ! Ny andro rehetra dia fandalovana
Fa tsy ho lefy hanitra ilay fisiana
Ho velona an-koatra sy ho tsara levenana.
Ny Kanto.
Mbola tsy mitraka akory ny fianakaviam-ben'ny haisoratra malagasy dia indro fa niraraka ihany koa ny Kintana nitondra ny famirapiratany niavaka teo amin'ny literatiora malagasy. Lasa i GRG, fa ny soratra navelany dia hanentohento sy tsy ho lefy hanitra !!!!
Mirary sy mampitondra teny fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ny sakaizany rehetra.
Hevitra mandeha
Malalason (13/10/2008 10:50:31)
Misaotra indrindra tompoko, tsisy mampionona aza mionona...fa dia tsara levenana ny maty, ny tenany no nandalo nihelina fa ny asa-sorany kosa mbola velona sy mitoetra ho antsika rehetra.
Malalason
Malalason (14/10/2008 10:51:34)
MIHELINA TOKOA
Valin’ny tononkalon’Ny Kanto hoe MIHELINA
Tsy ny olombelona ihany no miserana (mihelina)
Fa ny zava-drehetran’ny tontolo izao
Ka ny soa indrindra sy fanamperana
Dia mbola hielina tahak’izao
Kanefa aza adino ny kolokolony
Zay mitsimoka anaty tsy mety lany
Ireo dimby hamelona ny tontolony
Fa izy maty namela mamy.
K’aza misosok’alahelo intsony
Raha toa ka tonga ilay anjarany
Fa vita ny azy ny fanompoany
F’isika manohy an’ilay tantarany
Ary aoka isika hanongo tena
Samy hiaiky fa mbola ho any
Mino isika ary manantena
Fa hifankahita any an-danitr’any
Ny hany mba hafatro dia izao
Aoka isik’olombelona hifankatia
Fa mafy tokoa zany mifandao
Mifanao veloma mandrakizay doria
Malalason 13/10/08
NyKanto (30/10/2008 19:31:04)
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKantoDaty : 27/09/2008
Mpamangy : 2346
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy ManahyMAVESATRA
Maty ilay tantely
Kalo anaty haizina
Fiofona
11-septambra
Ny Fahatsarana
Mpitazana-tazanina
Iarivo Mitomany
Misy rà mijininika