Rivo-doza (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho fiarahako ory amin'ireo fianakaviana any Atsimon'i Madagasikara
tra-boina noho ny rivo-doza izay nahazo azy ireo amin'izao fotoana izao ( 17 no maty ary 139 olon avery tsy hita). Mankahery hatrany ireo
izay misahana ny asam-panarenana rehetra noho izany.

Rivo-doza

Elita, Eline, Gafilo
Geralda sy Manou
Felipi sy Ernest
Sy ny hafa ho avy koa
Dia tsy Olona akory
Fa rivotra mpandrava
Sy tena mpampahory
Ilay nosy tena mamiko.
… Malahelo anao ry taniko.

Ireo anaran-tsamihafa
Anaran’olona avokoa
Olona ary ve no ratsy
Tsy ny andro no efa voa
Manomboka mandrivotra
Dia milatsaka ny orana
Manambana ilay fositra
Tsy ho azonao sakanana
… Efa fantatra mialoha.

Mitanjozotra anaty dia
Hamafa nosy maro
Isan-taona no misesy
Roa na telo miara-dia
Manao ny angaredony
Handavo sy handresy
Aina maro no ho potehiny
Loza mihantona mianjera
… Rivo-doza no anarany.

Tanàna rava no avelany
Rako-tsaona sy tomany
Babangoana ny fonenana
Dibo-drano nandalovany
Mangina izao ny fantsakana
Ifamotoana itangoronana
Ho aiza i Ketaka sy Koto
Fa tsy manan-kialofana
... Mitomania ianao ry foko.

Ny vavakay ry Tompo
Raha mbola hisy isan-taona
Ny rivo-doza tsy azo ialàna
Mba arovy ireo tra-boina
Mba tsy ho hisy very aina
Mba omeo anay ny hery
Hampitraka hatrany
Ireo sisa tsy mba very
… Tompo ô henoy ny vavakay. Amen.

Ny Kanto. Febroary 2005. Quai St Bernard.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1329 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 03/02/2005 15:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145