You are here: home > Vetso

Tahaka ny tenako - Ny Kanto

Setrin'ilay tononakalo "hataka" nosoratan'i Raozigasy.

Na inona sedra mahamay
Sy alahelo mety hampahory
Na adin-tsaina tsy ahitan-tory
Sy tebiteby mampangorohoro

Dia tsarovy fa tsy irery ise

F’indro aho hijoro ho tena namana
Vonona hihaino sy te-hanome
Fanafany kely izay azo vimbinina
Hiaraka hitady izay vahaolana

Satria tiako tahaka ny tenako ise

Raha tsy hay tohaina ny trotran’
Ny jaly tsy maintsy hihafiana
Ka mila tsy ho tanty ny kaikitry
Ny ranomainty mamirifiry

Dia tsarovy fa tsy irery ise

Hoavy aho namana hitondra tsiky
Hiaraka hanohitra ireo zava-dratsy
Tsy tonga hitsetra fa tena hizara
Ny enta-mavesatra, hanandratra tava

Satria tiako tahaka ny tenako ise !

Ny Kanto. Jussieu. 2 ora 12. 2004-07-12




Sokajy : Namana

Hevitra mandeha

bichette (12/07/2004 15:35:56)

eto izahay namana raozy a !

NyKanto (13/07/2004 11:04:08)

"Handranitra tava" moa izany fa tsy hioe hanandratra tava ... diso tsipelina...

raozigasy (13/07/2004 11:10:30)

Misaotra an'NY KANTO vonona hiara-mizaka ny maiva-mavesatra, hafa izany hoe tena NAMANA.. Misaotra an'i BICHETTE koa.

bichette (13/07/2004 18:24:17)

tsy misy fisaorana

Hametraka hevitra

Midira aloha