You are here: home > Vetso

Tsy an-tery - Ny Kanto

Setrin'ilay "mifandiso" nosoratan'i sarondrahona

MIFANDISO

Ianao angamba ho tiana
Raha izay no tena ilaina,
Kanefa hafahafa !
Raha ny alim –pitoraikitra
Tsy ahità-mitsinjo
No inoana vetivety
Ho zavan’ny maraina;
Ny tiako holazaina :
Mora ho tiako  ianao
Fa mora ho voafafa !

Fitia nitsiry tany
Tsy niainga teto akory

SETRINY nosoratan'i Ny Kanto

O Rilaisarotratiavina,
Rangolahy hay no voadonako
Tsy niraika tsy nihontsona
Ny tantely izay omeko
Mody ho vahona hoy ianao
Ny tena lamba izay atafiko
Noraisinao hoe vasobasoka
Ny fitiavako baliaka
Novainao ho ali-mangatsiaka

Dia mitoera irery
Fa ny fitia anie tsy an-tery!

Ny Kanto, Fontenay sous bois, 14h40. 9 juin 2004.

Sokajy : Hambom-po

Hevitra mandeha

sarondrahona (10/06/2004 14:44:01)

Ny kanto a !
Aza masiaka aloha mandra -pilazako ny tena marina ! Mitony tsara aloha a !
Hoy i SARONDRAHONA

NyKanto (10/06/2004 18:09:11)

Aza raisina hoe fahatezerana na koa fahasiahana, fa mba tsetsatsetra tsy aritro iny, nefa koa iny setriny iny mety maniry hitondra tenin'ireo izay mety tojo ilay mifandiso nosoratanao. Tony tsara aho ary tsy manahy noho izany sady efa nahalaza rahateo ny tiako hambara. Ny Kanto.

Hametraka hevitra

Midira aloha