You are here: home > Vetso

Ry hoavy - Ranoala

misy teny manangola
izay mambabo fon-jatovo
maha-jamba toy ny vola
harato tonga vovo

Misy hery hafahafa
fanainga lavitra hoy ny maro
manimba sy mandratra
izay voa tsy mahatsiaro

misy hira izay mandrotsy
manainga embona,tadidy
mandrava sy mangotry
manova fo,hetsika,safidy

Nefa setroka tomany
no hany hainy zaraina
mba dinohonao izany
ry 'lay hoavin'ny maraina

Sokajy : Fiaraha-monina

Mombamomba

Mpanoratra : Ranoala

Nampiditra : rahonala
Daty : 25/06/2012
Mpamangy : 819
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Fitia
Ny any aminay

Hametraka hevitra

Midira aloha