Nankaiza ... - Ranoala
Azo vakiana?
Nankaiza ny tanteliko teto
nefa eto tsisy vitsika?
"Efa nisy naka!
Fa 'lay iny koa tsy nihinana!"
Fa iza moa ianao
Ry sotrokely tiako indrindra
"Izaho ilay nahita
Basivava dia voafitra!"
Tsy nahazo mihintsy izany
na dia ny fofompofony aza?
"Tsy afaka mifidy hono e!
Mbola kely ,mbola zaza!"
"Voatsorikan' Ilay zefa.
Tsy nihinana izy anefa
fa nomeny an-drakala,
vao nahazo, nody adala".
nangaina daholo izany
ny mpanatri-pivoriana?
"Nanatena kolikoly,
Ka nijinja fanaviana!"
08 OKT 2014
Sokajy :
Eritreritra mandalo, Politika
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 07/10/2014
Mpamangy : 1077
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Izy ihanyIza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
raki-kira
Ry hoavy
Fitia
Ny any aminay