Izy ihany - Ranoala
Azo vakiana?
Eo an-tratrany eo
no maha tsara ahy
Eo ihany re no misy
ny tsy mampanahy
ny mampahory mety hisy
tsy asiako saina lalina
eo an-tratrany eo ihany
eo ihany no milamina
Izy tokiko,Azy aho
k(a) Hitady inona indray?
Hila hafa vaovao?
Tsy fantatra, tsy hay!
Misy tsara no ho izy va
manadaladala zany saiko?
Efa ampy izy tsy hizaha
Izy ihany no antenaiko
03 Martsa 2018
Mombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 26/03/2018
Mpamangy : 1095
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
niova ny tontolodia gaga ialahy
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy