Kotsakotsa (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KOTSA

« Iray minitra fahanginana,
Ho an’ireo vahoakantsika
Maty ho an’ny FAHAMARINANA !”


“Iray minitra fahanginana
Ho an’ireo fananantsika
Kila noho ny FAHAMARINANA !!!”


“Roa minitra mba hahanginana
Ho an’ilay maherintsika
Lavo teo am –pandaminana !!!”


“Roa minitra hamintinana
Ny andrimasonao vahoaka
Niaro ho an’ny FAHAMARINANA !”


“Iray minitra hanakianana
Ny tifitra sy rà nandriaka
Noho ny voka – pifidianana !”


“Iray minitra iombonana
Ho an’ireo MPIANDRY maro
Naratra teo am –pitolomana !”


“Minitra iray ho fampihavanana
Ny MALAGASY MANONTOLO?
Sy ho fifanomezan-tanana!”

“Iray minitra ! Indray mihiaka !
Ho fisaonana mitambatra
Ho an’ny Firenentsika !!!”


“Iray minitra fahanginana
ho an’ireo voazera baomba
Sy martirim –pahamarinana”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In –TANAN-DAVA
--------
Rohy:
1037 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahona
Daty : 04/06/2004 09:29
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155