SOAMAHAMANINA - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Miha -ratsy ny fandehan'ny ady
Raha izao zavatra hitako izao
Tia Tanindrazana ve
Dia ny tany no atao kilalao?
Ny tany no tsy lavadavahana
Dia mazava fa mbola hilalaovana,
Malagasy no nandatsa-bato
Dia Sinoa ve no hitondra fitaovana?
Lokaloka ny vonona hitondra
Dia izao ve no fahaleovan-tena?
Gaboraraka tsisy ohatr'izany
Ny fitantanana harem-pirenena
Famoretana foana isan'andro
fa tsisy fihainoana vahoaka;
Ny sinoa izao no tompon'ny tany
I SOAMAHAMANINA asaina mitsoaka !
Fitantanana tsy azoko mihitsy
Na volamena na haren-tsarobidy;
Alaina amboletra ny tany
Dia vahiny no masi-mandidy !
Nivadika ity ny tantara
Very ny fomba taloha
Mpanao gazety hanao ny asany
Dia mila alalana avy amin'ny sinoa ?
Tsy kinahin'ny zaza ho njola
Fa handevina ahitra ve hahafanina?
Avereno ny "quarante sept" e !
Hatombohy any SOAMAHAMANINA !!!
NY IRAKA RAMBOLAMANANA
in _SOA MAHAMANINA
Mombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 02/02/2018
Mpamangy : 1133
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANAMIASA ALINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
AOKA ALOHA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY
MIORINA