MIASA ALINA - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Feno zaza adala ny sisin'arabe
Feno zaza adala toa tsy mahalala mody
Feno zaza adala ny sisin'arabe;
Aretina hafa mihitsy
fa aiza moa dia hoe:"tsy sitram-panafody."
Andrasany hilentika ny taratra masoandro,
Potehiny ho sira ny karamany isan'andro;
Ho fety sy lanonana
Trano fisotroana no fivoriam-bahoaka
sy toerana fiangonana!!!
Manomboka ny kajy fa miainga ny korana.
Tonga hatreny an-tampon'ny hazo nandrarana:
"sambatra tanteraka !"
Any an-trano anefa
Tomany mandry fotsy
Reo zanaka nateraka.
Vao omaly no voaroaka,bedy sy nafarana
Fa ela tsy voaloha ny saram-pianarana;
Nazera ny kitapo.
Lay zaza adala anefa
Tsy miditra ato an-trano
raha tsy mamo tato ho ato.
Miditra ny loza,hitombo koa ny angano.
Tsy maintsy handroaka entana
Amin'ny resaka hofan-trano
Tsisy tokontaniny: na trosam-panafody
Na jiro na ny rano.
Ny fatana isan'andro mazana mamanala.
Tsy tsinin'ny kitay.
Fa noho ilay zaza adala amin'ny sisin'arabe
Tsy lany fivoriana:
Mody sambatsambatra
Fa eo am-baravarana,tsenain'ny fahoriana!
Feno zaza adala ny sisin'arabe.
Ka mba teneno ihany i Zokilahin'ise!!!
NY IRAKA RAMBOLAMANANA
0332113602
""
Mombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 28/03/2015
Mpamangy : 2370
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANASOAMAHAMANINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
AOKA ALOHA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY
MIORINA