AOKA ALOHA - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
moramora ianao malala
fa midona ny any an-karatra !
Reo miakandrefam-baravarana
samy reraka sy hana
fa mitraina ny fahavaratra;
samy trotraka sy tola.
'Reo firenena NGEZALAHY
any am-pitan-dranomasina,
tratry ny olana ara-bola:
Ianao vao miha-mirobaroba.
Ny maro anaka aza izao,
efa tsy hihinam-bary intsony
sady efa tsy hihinan-koba!
Ny anao vao mihilana ny andro
mila toaka,mila vera;
vidin'omby iray izay
no efa laninao,LABIERA
fa tsy hitako izay tombom-barotra !
ka tena aoka izay malala,
tena aoka mihitsy aloha
fa ny fiainana efa sarotra !
Dia mianara ianao mihafy!
ny vady tokana aza izao
efa manahiran-tsaina,
ianao vao mainka mampirafy!
nefa tsisy tombontsoa:
Moramora ianao malala,
dia aoka mihitsy,AOKA ALOHA!!!
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Tél: 032 62 897 51
Mombamomba
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahonaDaty : 29/11/2008
Mpamangy : 2539
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY TONGA VOLANASOAMAHAMANINA
MIASA ALINA
HAZONOELY 2012
VITSY
HOY IZY ANONA
FAMERINY
SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O)
MIANDRY
MIORINA