Mikobana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIKOBANA( ho an’i NAINA NIRINA ARTHUR)

Mahatsiaro anao izy
Matoa nandrindra kalo
Sy bitsika ohatr’itony !
Mahatsiaro anao izy,
Dia noho ianao nandalo
Nanaloka ny fony !
Dia lasa notsaroany.
Mahatsiaro anao izy
Matoa tsy mety tony !!!

Ianao angamba lasa
Dia verivery dia
Sy tototra koràna !
Ianao angamba ho lasa
Dia nahafoy ny tia
Sy ny ankizin’ny tanàna :
Ny “tary” sy ny “ akama”
Ianao angamba lasa
Ka tsapako ho tamàna !

Fa ny eto anie tsy miova e !
Mitabataba lava
Sy mitolona amin’ny fiainana
Ireto ankizy ireto,
Dia resy sy mangina !
Ary hitanao ihany
Fa resy noho ny tolona
Tsy vitan’olon –drery
Ilay SAKAIZANAO
Nony tato aoriana !

Angamba tsy ho resiny
Mandra –piavinao
‘lay fiakarana mideza,
Ka hihemotra ny dia…
Nefa ho hitantsika ihany…
Fa ise no mahereza !
Ise no matokia !
Fihino ho nofy aloha
Izany rediredy izany !

Fa aoka hangarahara
Ny rivotr’i KIANGARA
Tanànanao Sakaizako !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1160 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1029