Mpisolovava (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPISOLOVAVA

Nanoratra tariha sy safary lava ianao
Fa nisy nihaino ve ?
Vao mainka aza hoe :
“Nipoaka ny tetezana !
Tapaka ny lalana !
Nisitrika ny hanina !”
Dia lany haika ianao
Fa nofotsiana rora
Ka sempotra sy fanina !!!

Nefa mbola hanoratra tariha mihoatra izay
Sy hafatra hivoaka ;
Fa efa tafahoatra ny henji-drà mandriaka
Sy tsindrin –karefonana,
Ka ho faty ny VAHOAKA
Raha mangina ianao :
Ianao… ianao MPANORATRA !

Izao tsatsoiny indray fa hisitrika ny sira !
Hisitrika ny vary !
Lany ny savony !!!!
Dia hihodina aiza intsony
Ny Malagasintsika
Sy ny resa –pahantrana ?
Fa ny tetezana avy,
Izay mba fifandraisana
No vita nosimbàna !

Nefa mbola hanoratra teny mampahery
Sy andro tsara ianao;
Fa sao dia sanatria :
Ho kivy ny VAHOAKA
Ka hihemotra ny tolona !
Anjaranao mihitsy ny mampitraka, izao :
Anao… anao MPANORATRA

Ataovy ny hazolavanao MPISOLOVAVA

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In –TANAN-DAVA
--------
Rohy:
736 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015