You are here: home > Vetso

Bitsika mangina - Sento tokana

Nisy bitsika mangina
Nanaitra ny fanahiko
Sa zah no variana
De lasa lavitra ny saiko



         Nisy naka ony ny sipako
         Lasan-dry zalah any
         De ahoana zany ny fikako,
         Sa zah itomany?



Ny fanahiko ko ranga adala
Mibitsika zava-diso
Nefa... nefa zah tsy te ahalala
Fa alehako any iny rahapitso.



       De raha tsy nandainga nefa izy,
       De inona ny fika?
       Aleo zao de mitady akizy
      De mifampidera isika.



De raha tsisy naka akory izy?
De ahoana ilay vaovao?
mmm ay mody omena bizo
De oentina milalao.


                         Sento tokana
              

Hametraka hevitra

Midira aloha