Zanak' iza ? (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ontsa ny foko, mahita ity zaza mangaina,
miantsoantso mitaraina,
mangataka, mitalaho miandrandra famonjena
eto anivon-tsena.

Ontsa ny foko, mahita azy ketraka,
fa nohon'ny fitia vetivety ve sa hetraketraka?
dia nisy izy tafapetraka
anivon'ny tontolo izay tsy niriany akory?

Ontsa aho, fa raha mba safidinao mantsy
dia tsy nomeko tsiny ilay Nahary.
Fa kosa tsy izany, FA TSY NISAFIDY IANAO.

Fa nahoana izy nahavita nanamboatra?
nefa tsy mahavita mikolokolo anao.
Inona ny antony, ka ianao nampisiany?
Nefa tsy rarahiany.

Ontsa anao aho, nefa ny alaheloko sy ny ranomasoko
tsy hahavita inona akory.
Fa aleo aho hody hitondra fo ory
dia hanontany an'ilay Nahary
"FA MANINONA IANAO NO NAMPISIANY NEFA TSIZARIZARY?"


Sento tokana
04/08/19-----22:52


Dia fa nahoana izy mahavita nanamboatra
--------
Rohy:
555 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102