You are here: home > Vetso

Naorina tao anaty tsy fis - Sento tokana

Azo vakiana?

Naorina tao anaty tsy fisainana
ka tonga tsy nisafidy
dia aza manantena hoe misy itarainana
fa zakao rery io ny mangidy

      satria,
      voaforina tsinah ialahy
      fa tsy nifanarahana
      ary tsy tokony ahagaga an'ialahy
      raha tsy voahomana ny fandraisana an'ilahy

Ny adalan'ny lehibe lesy
no nahatonga an'lah eto
ka ireo antsoantso marobe
valio amin'ny sento.

       Ka aza manontany intsony
       hoe: nahoana aho no toizao?
       fa na ilay renin'ilahy ary
       efa nankahalanao
       saika hanalanao
       ka tsy ahita ny masoandro
       "ZAZA TSY NIRIANA IANAO
       KA TEZAINA ANJOANJO"

                          Sento tokana

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha