Tara-bolana - Sento tokana
Azo vakiana?
Tara-bolana malefaka
no hany mba tafiditra eto ambaravarakeliko
sombitsombitaratra
eny sombitsombink'azavana.
Taratra toa voamaika
mampitombo ny alaheloko.
Sombitsombiny sisa no mba anjarako
fa ny manontolo efa any amin'ny hafa.
Azy ny taratrao.
Mamiratra ianao,
fa tsy azoko takarina
Lafatra ianao,
fa tsy azoko angalarina.
Eny e, fa tsy maninona
fa angalatra aho ijery,
ka hofihiniko mafy ity taratr'azavanakely
izay nomenao ahy.
Sento tokana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Sento tokana

Nampiditra : htrsylvannomh1
Daty : 09/02/2019
Mpamangy : 464
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Zanak' iza ?Naorina tao anaty tsy fis
Jamba ny fitia
Ny zanako
Aza mitetateta
NITADY FAHANGINANA
Hafatro farany sisa ity
Hafatro hoanazy
eretako
Any izy any....