You are here: home > Vetso

Hafatro hoanazy - Sento tokana

Azo vakiana?

Mba raovina ary vao ho fantany,
Ity fitiavako anazy
Mba raovina vao hotsapany,
Ny fitiavako anazy.

Iny olona iny foana no tiany,
Iny olona iny foana no antsoiny hoe:''Malala''
Fa ny fitiavako tsy misy mahalala,

Eny e, ilay tenyko tamin'iny
Natako sangisangy,
Nataoko aniany
Nefa ianao no tiako mamiko eto antany.

Hafatra hoanao ity eto ity androany,
Mbola miandrandra ilay fitia anie aho e
Mbola manantenanao,
Miandrandra ny tsikin-dry
Ratoa ka itanao zao afatra izao.......

Sento tokana

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha