You are here: home > Vetso

MATY IZY - Sento tokana

Feon-dakolosy tokana
De nampirotsaka ny tomany.
Antsoantso mafy
No injay nitarika gafy.



        Tabataba maro
         No injay nifangaro,
         Vahoaka nifamahofaho
         No injay nitarika raorao.


Hakiviana, halahelo
No nanjary nibahana.
Ranomaso sy tomany
No nameno ny tanana.


          Andro maloka
          Tsy mety azavaina,
           Alahelo tsy mety fafaina
           No injay manaloka.

                               sento tokana

Hametraka hevitra

Midira aloha