You are here: home > Vetso

Gadra - Toetra RAJA



GADRA

Midradradradra
Ilay gadra
Noratraina
Vao maraina,
Mitanàka
Fa voadàka
Mitoretra
Manjoretra.

Izany volo
Tsy voakolo
Misafoto
Feno loto;
Ny tànana
Efa mangana,
Ny tarehy
Mihalehibe,
Hay mivonto
Voatonto !

Ny sakafo
Tsy mba lafo
Zarizary
Mankarary;
Kanjo indrisy
Iny nisy
Bodongerona
Nitrerona
Nandroaka
Izay laoka.

Avy eo
Dia niseho
Ny faran'ny
Tantarany :

Natory
Ilay ory,

... Lasa ! ...

Tsy hiasa
Intsony intsony
Re ny fony !

Misy ady
Amoron-kady
Mahazatra
Fa mandratra
Mahafaty
Ao anatin'
Ny toerana
"Anarenana"
An'izay
Tiana ho fay.

Hay va re
Misy afo be
Toy izany
Koa ny tany ?

Toetra RAJA
20 novambra 1983

Sokajy : Ady

Hevitra mandeha

andriary (04/02/2005 14:32:39)

personnel be ny style n' ny tonokalonao.tohizo fa mamoaka hevitra mafonja

racoplo (05/02/2005 10:14:53)

zany ka tena revy gadra

Hametraka hevitra

Midira aloha