You are here: home > Vetso

LANJAM-PITIA - Toetra RAJA

LANJAM-PITIA

Iry lasa iry
Olona iray
Milanja fitia
Tsisy mpandray !

Mibaby miafy
Fola-damosina
Seriny mafy
Mila hitrosona !

Kaody fijoro
Osa dia osa,
Fo torotoro
Maty voafosa !

Ela ny ela,
Nilefitra ihany,
Ny sisa tavela
...Raraka an-tany !

Lalana mody
Atao anton-dia,
Aza manody
Ny lanjam-pitia !


Toetra RAJA
15 jolay 2007

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

endrika01 (08/08/2009 09:06:25)

io fitiavana io ihany...!

toetra (08/08/2009 13:16:05)

... no nahatonga izany ! (hiran'i Nono)

endrika01 (08/08/2009 15:21:00)

Giravy ihany izy io kou!

toetra (08/08/2009 15:49:09)

Tena giravy mihitsy indraindray satria araka ny voalaza ao amin'ny tononkalo dia mavesatra, maha fola-damosina, mampitrosona, maha osa sy maha voafosa !

endrika01 (09/08/2009 09:21:13)

tena marina lay "Maha voafosa" hi hi hi

Malalason (27/11/2013 06:47:55)

slt dhl nareo! na maha fola-damosina, mampitrosona, maha osa sy maha voafosa !aza izy io dia ilaina foana fa ny tsy manana azy no tena mahantra indrindra ety ambonin'tany na mahafaty aza io tsy quoi fa zakaiko ihany aloha ny ahy ! mirary soa

RktErimady (12/03/2015 11:26:42)

Ohatran 'ny fiainana rehetra ihany io Misy ny mangidy dia misy ny mamy, fa ao "anatin'ny mangidy no misy ny mamy"