RAHA TETO I RADO - Toetra RAJA
Azo vakiana?
RAHA TETO I RADO
Raha mba teto
Ianao ry RADO
Nampisento
Ireo "bado"
Nanapoaka
Ireny takotra
Mandroaka
Ny tsy matotra...
Na ilay "vato
Fehizoro"
'Ngaha tsy harato
Nampikoro !
Ny tanàna
Moa nasolo
Fahefana
Bobongolo
Radio teny
Anosy indray
No nohoseny
Kila may
Voadotra
Ireo kolo
Sy olon-tsotra
Valopolo
Izay nirohatra
An-daharana
Hay ka tohatra
Fiakarana !
Rahom-bava
Tifi-basy ...
Tsy mazava
Amin'ny Gasy.
Ireo harem-
Pirenena
Indray ange
No nofetsena.
(...) RADO !
Soa ianao
Tsy teto intsony
Fa nandao
Raha mbola tony
Ny tanàna
Ka mandria
Miadàna
FA NY ATY
MBOLA MAFANA !
Toetra RAJA
17 jolay 2009
http://www.freewebs.com/toetraraja
Hevitra mandeha
Nirilala (01/08/2009 07:46:19)
Saingy efa lasa tokoa i Rado. Soa fa efa maro koa ireo poety manohy ny efa vitany
Mysento (02/08/2009 11:27:06)
Afaka tsy manantena azy tsony,fa afaka kosa ,manaraka ny diany
eo aminy Asa Soratra.
betroka (03/08/2009 17:52:20)
Voatsiahy eto amin'ny tononkalo ny "tako-bilanin" i Rado (and. 2) => "Tsy maintsy mipoaka ny tako-bilany" hoy izy.
Eo amin'ny and. 3 no iresahana ilay fitokanana ny vato fehizoron'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo izay natrehan'i Rado. Soa ihany tokoa fa tsy mba hitan'i Rado izao zava-dratsy iainan'ny firenena izao fa raha tsy izany angamba dia ho tena nalahelo izy.
andry 1000 (30/04/2015 08:01:46)
Mombamomba
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetraDaty : 01/08/2009
Mpamangy : 2411
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LALAN-TIAKOINY ILAY ZAZA
FANANTENANA
TSY BARAINGO
DIAM-PENINA
RY BE GALONA
I KAOZATRA KELY
LANJAM-PITIA
FOSAFOSA
MAMAFAZA VOA