TSY BARAINGO (Toetra RAJA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY BARAINGO

Ny fo
Za-mioty
Matoa
Miangoty
Ny laingo
Ambony,
Tsy baraingo
Intsony :

Zaza hendrin'
Ny tena
No kendri-
Kendrena !

Ry Ray
Aman-dReny
Mahay
Izy ireny,
Tsara bika
Fa joko
Tsoriaka
Misoko !

Arovy
Ny zaza
Diovy
Koa aza
Fa maro
Ny adala
Miharo
Ao am-bala !


Toetra RAJA
22 febroary 2010
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
2253 1
Mpakafy: zakilinina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Daty : 27/02/2010 09:32
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157