Ampidiro aloha ny tenimiafina
Date : 07/02/2015 07:20
Visite : 1884
Poèmes: 9 Cliquer ici
Fans : 1 Admirer
H.J Myrai
mpanoratra tononkalo mpikambana ao amin'ny vondron'ny korira kanton'ny haisoratra malagasyRAHAJARISON Celestin na H.J Myrai no halalan’ny maro azy eo amin’ny asa soratra .teraka ny 22 janoary 1991 tany Miadanandriana Manjakandriana izy. Nandalina manokana ny teny sy kolontsaina sinoa tany china izy ny taona 2015 ary efa tongasoa eto antanindrazana .
Vao teo amin’ny faha 10 taonany i Myrai dia efa tafiditra tao anaty tontolon’ny fanoratana tononkalo ary teo amin’ny izay tontolo’ny tononkalo izay no nahafatarana azy ary izay koa moa no tena hiangaliny , mpanoratra mpikambana tao amin’ny korira kanton’ny haisoratra Malagasy (VKHM) nanomboka ny taona 2010 izy . efa maherin’ny zato (100) any moa ireo asa soratra voatahiry nosoratany ka manana eritretritra hamoaka boky amin’izay ankehitriny saingy mbola tsy fantatra moa ny fotoana hamoahany izany boky izany noho ny fahasahiranany eo amin’ny asany raha any nambarany.Ny resaka tontolon’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny no tena ventesiny ao amin’ny tononkalony ,nefa tsy adino eo ihany koa ny resaka fitiavana sy ny sisa .ity ary ny santionany amin’ireo asa soratra nosoratan’I Myrai
Lien:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/celestinmyrai
Poèmes ( 9)
Lectures
Pas encore lu
