« DADA SY NENY » (A.N.T.L)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« DADA SY NENY » Tamin’ny mbola kely raha vao nianatra niteny
Dia ny hay voalohany dia nibada DADA sy NENY
Izy ireo no nitaiza hatrany, nitrotro sy nibaby
Hany tokana mpampitsiky ahy , rehefa marary aho na manavy
Niteny izy tsy mba nohenoiko akory
Noraisina ho tsy fitiavana fa manorisory
Fa dia nitaiza hatrany, nanoro sy nanitsy
Ahatonga ahy olom-banona, handeha amin'ny làlana mahitsy
Fa fitiavana hafa mihitsy raha ny an’i DADA
Na dia hoe mibedy lava sy mivazavaza
Ilay mpanao antsangory sy tia manolokolo
Dada mahafinaritra, masiaka be ronono
Fa raha ny an’i neny dia hita tena miavaka
Mpikarakara tokantrano , sady tia mivavaka
Izy no nitrotro sady nampinono
Ilay fitiavan-dReny tsy misy mahasolo
Ka eto am-paranana dia indro izaho milaza
Dia misaotra betsaka an’i neny sy dada
Nanome torohevitra, niteny sy nananatra
Ahatonga anay modely, ahatonga anay fitaratra
Jesoa ! mba tahio ilay DADA tiako, omeo fahasalamana
Dia ny ditrako izay vitako hatrizay ho soloiko fanajana
Ka Ianao re no hitsinjo, dia Ianao koa no hijery
Dia omeo fahasalamana feno hatramin’i NENY
Mpanoratra : Andriatiana Tsanta Niaina Luc
Hafatra ho ahy sy ho anao :
_ izany rehetra izany dia fitiavana avokoa
_ nomeny antsika zanany ahatonga antsika ho soa
_ dia hajao hatrany ny ray aman - dreny
_ satria raha tsy eo intsony izy iza indray no afaka hiteny
--------
Lien:
Catégorie :
Fianakaviana
Fans:
abelandriatiana - A.T.N.L