« Ry fahantrana » - A.N.T.L
Azo vakiana?
« Ry fahantrana »
Na eo aza enao Ry fahantrana
Dia tsy ataonay sakana velively
Izahay mifankatia saingy mahantrana
Mifanoana hatrany dia tsy ho irery
Nampianarinao hiray hina
Nampianarinao mba hifandray
Hifanome tanana @ hafa hatrany
Izay tokoa no tarigetranay
Na tsy manana aza izahay
Dia nampianarinao hifampizara
Tsy ho kivy , tsy hitomany
Satria izay no fiainana an-tany
Ny mibahana ao an-tsaina
Tsy mba vola na harena
Fa zavatra tokana , mafonja
Dia ny teny hoe « fahendrena »
Ka na mahantra izahay
Ehhhhh Dia natao ho iray
Dia ho velona finaritra
Fa manana an’Andriamanitra
Andriatiana Tsanta Niaina Luc
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : A.N.T.L

Nampiditra : A.T.N.L
Daty : 15/04/2019
Mpamangy : 518
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Fianarana = Fiafiana« ANY MANTSY IZAY I DADA »
« DADA SY NENY »