« ANY MANTSY IZAY I DADA » (A.N.T.L)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy mantsy dify ilay maraina
Lasa lavitra any ilay nantenaina
Zary fahatsiarovana ireo niainana fahiny
Fa fasana no mba azy ankehitriny

Any mantsy izay i Dada
Eo anilan-dRay , sambatra aok`izany
Nilaozany ity sombiniaina
Nafoiny koa ny tany
Fa raha mba azoko natao
Ny mba nitana anao
Tsy nandao ity akany
Ho lasa any lavitra any

Malahelo, ontsa ny foko
Rehefa tonga ny fetin'ny Ray
Miarahaba ny azy ireo ankizy
Ary mba aiza ny ahy ?

Oviana anefa vao hiverina indray
Efa lasa tanteraka ilay tia anay
Saingy ny soa vitanao ry Dada
Tsy ho adinoko mandrakizay

Dia izao ny farateniko :
Indray andro any isika mbola hihaona !


Andriatiana Tsanta Niaina
--------
Rohy:
1502 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : A.N.T.L
Nampiditra : A.T.N.L
Daty : 15/04/2019 08:23
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109