Anio (alfantomas)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly....
nisy raho-nitatao embona ny lasa
nisy alahelo mafy saika tsy voafafa
nisy koa ranomaso nanenika ny tavako
nisy tena nisy, tsiaro ny fitiavako

Omaly tokoa, raha tadidinao
nitsingerina indray 'lay taona
asa raha kosa mbola velona ao
'lay fitia, na efa matin' ny fotoana

Izany ny omaly,
fa ny anio kosa....
hiverina indray, fiaingana vaovao
tsy hifampierika intsony izaho sy ianao
samy lalan-kafa no izorana
ka ny lasantsika, ndeha ho fongorana

Rahampitso koa....
masoandro vaovao
no hibaliaka indray ho ahy sy ho anao
ary ny fitiavana ihany koa ho hafa loko
no hitempo any am-pona sy any am-poko



saingy ny lasantsika sarotra adinoina
na izany aza sarotra vonoiana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1156 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : alfantomas
Nampiditra : betsileolahy
Daty : 08/02/2014 04:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092