KALO IRAY (RK)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ito misy kalo Miendrika tononkalo
Mety raha isika roa
no hamaky azy aloha
De ny fahitako ny endrikao
Mirana tsy misy toy izaho
Toa anjely mahafinaritra
Nidina avy any andanitra

Naninona no nidona taty
Ilay fitia tsy ho doria
Naninona no izaho no niatefany
Toa lasa vazivazy izany
Aza matahotra ry malala
Fa izao tsy mba maramara
Aza matahotra ry fitiavana
Fa ny aty tsy manavakavaka

Fa maninona foana ny fitiavana
Toa mampijaly ireo havana
Toa misy hery hafahafa
Tsy mamela mintsy
raha tsy mitafatafa
Zany fitia adala mafana foana
Na dia efa norarana
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
1361 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146