Manina ny fitia (RK)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao aho manimanina aty
mahatsiaro nilaozam-pitia
Aty an-tanin'olona aty an-dakira
Tsisy ato fa velombelon-kira
Mahatsiaro ireo fanao taloha
Mifam-pisafosafo mifampian-kin-doha
Zao irery sisa no miaina
Ny andro rehetra mampalaina
Fa very e! tena very
manina, mangina irery

Manina irery tsy misi-pitia
Manina irery aty
Mahatsiaro isan'andro zao
Mahatsiaro ireo fomba fanao

Toa zary nofy sisa izany
Zao anefa toa mbola maminany
Fa veloma no apetrako ry malala
Fa veloma tsy miampy adalana
--------
Lien:
Catégorie : fitiavana - Aingam-panahy
1521 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143