Fitia (Andriniela)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIATazako eny imasony eny toy ny fivelaram-bony
Izay hita eny an-jaridaina ny fandrobon'ny fitiavany,
Ka ny fakany tsy aiza fa mamikotra ao am-pony...
Mba nafeniny tsy ho hitako,hay nipoitra teny an-tavany.
Henoko amin'ny fitsikiny,mamerovero sady manitra
Ny emboky ny fitia izay nodoroiko tao an-tratrany...
Nokoboniny tsy ho reko,vao maika koa nanaka-danitra
Ilay setro-mangan'ny fitiavany-hanitra tsy hita fatrany.
Reko amin'ny famindrany ny fidoboky ny fony,
Raha vao mahita ahy toy ny hoentin-drivo-tony...
Hisidina hiaraka aminy!
Ny fihetsiny rehetra dia efa ahitako taratra,
Na iniany tsy lazaina,efa hitako tomaratra...
Efa fantatro aho fa maminy!
Andriniela.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana