Hira velona (Andriniela)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hira velona!

Tiako tena tiako indrindra ny mihaino hiram-pitia
Izay hirain'ireo zavavy mpanakanto amin'ny fony,
Saingy mbola tiako loatra raha ianao no mihira akia
Fa manaitra ny fanahiko mbola tony dia tony...

Ianao indrindra indrindra mantsy no tena mpanakanto amiko
Fa mpanazary ny fitiavako hitombo isan'ora...
Ny feonao,ny angolanao dia tena mamy koa raha mamiko,
Tsy mety afaka an-tsofiko fa mandrotsirotsy mora!

Ny hira hafa dia nandalo,tsy naharitra ny taona
Fa mora lefin'ny andro lasa,ary adinon'ny fotoana...
Fa ny hiranao kosa mbola tsy afaka ato anatiko!

Fa noravahanao tsiky,nosaloranao angola,
Nohaingoinao fitiavana ka zary tsy mba mety tola:
Ka tafalatsaka ao am-poko,velona mandra-pahafatiko!

Andriniela.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
107 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Andriniela
Inséré par : Andriniela.
Date : 25/10/2014 07:03
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139