Ahatsiarovako anao, (Antsa tononkalo.R)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ahatsiarovako anao,'lay masonao baliaka,mitsiky miran'andro
No sisa mba tavela,mitrotro ny fanahiko;
Mamelona ny tsiahiko...
Ilay feonao manako!,nanao veloma farany...
No raikitra antadidiko,nanaitra indray ny foko;
Namoha ny varavarany.
Dia njary sarobidiko :
Ny andro, ora mira,
Fahiny tahak'izao !
Dia mbola hirahira
Mamihina ny saiko,
Mampody indray ny aiko
Fa...ahatsiarovako anao.
Antsa Tononkalo.R 14/07/16
--------
Lien: