Amoron-takariva (Antsa tononkalo.R)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amoron-takariva,Eo amoron-takariva hianao, no misary malahelo
raha mahatsinjo vodilanitra, eny lavitra tazanina
sy manomboka misento, amin'ny fo mamelovelo;
Teraka eo tokoa ny kalo, vetsovetson'olo-manina.
Manimanina ireo dina: ny voangaly ka voangaly,
tamin'ny vola-mahasodoka, izay ninoana fa tsy handao
ilay nivoady tamin'iny, vao omalin'ny omaly !
aiza ho aiza re, ny fony amin'izao hariva izao?
Vasobasobasoka eo hianao, eo amoron-takariva,
raha miandry Volam-peno mbola hipody, 'nefa diva...
Teo tokoa no nanadino, irony maro tahaka anao!
Raha nisary malahelo, lasam-boron'ary vinany,
ka miverina eo ny sainy... rehefa velom- panontany ;
-Aiza ho aiza re ny fony? -Amin'izao hariva izao!
-"Hianao no mahalala...
Antsa Tononkalo.R volana may 2020
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - Fisarahana - Fiaraha-monina - fiainana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy - Fiononana - fananarana - embona
Fans:
MyhAndry - MAZ RAMANA