Antampovinany ! (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Antampovinany" valin-kira ho an'i Riankanto Ny Fitia noho ilay "Hampombaiko"

Mangovitra hariva ny vetson'ny saiko
Irery mahatsiaro eny antampovinany!
Fa feno hirifiry namonto ny aiko,
Ny rivo-mitsoka, miserana avy any...

Avy any, nitondra ny sentin'ny fony!
Tsapako anaty sy feno alahelo,
Ilay hafatra hampitan'ny vorona irony
Dia reko manako sy mamelovelo!

Midoboka manga ao anatin'ny foko
Ny kalon'ny fony mitepo mangina
Nanaitra ny saiko ka tonga tsaroako
Ny andro somamby t'anilan'ny tiana

Niaraha-nifaly t'anivom-pitia,
Nifampizarana ny vetson'ny fo...
Ka ketraka indrindra ity nofo malia
misento mahatsiaro ny andro taloha!

Fa feno hirifiry namonto ny aiko
Ilay rivo-nitsoka niserana avy any,
Mangovitra hariva e!-ny vetson'ny saiko
Irery mahatsiaro eto antampovinany...

Antsa tononkalo.R volana febroary in...
--------
Rohy:
573 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141