Eisy e! Ry lala! (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eisy e! ry lala!

Namakivaky ny tantarantsika aho,
rahavako,
dia novakivakian'ny embona
ny foko izay vontom-panala,
ka nitsonika toa patrakala. . .
tandrifin-drahona hoe! -Ny fitiavako,
ary izany angamba ry lala,
ilay rano namonto ny tavako !

Namisavisa ny lasa aho,
re havako,
dia ny saiko no lasa madisa
hikarenjen'ny sento misoko,
nahapetsa ny lapan'ny foko,
Ririnina angaha? -Ny fitiavako,
ary izany no tena hinoako
fa rano nomonto ny tavako !

raha nisaina ny andro lohatoana aho,
ry havako,
dia ny taona sy andro efa lany
ny eritreritro tia mitanisa,
ny antsika zary embona sisa !
fahavaratra izao: -Ny fitiavako,
njary nenin'ny foko namisa,
Tonga rano namonto ny tavako !

Antsa Tononkalo.R poésie encienne
--------
Rohy:
666 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012