Ny foko mahatsiahy (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ny foko mahatsiahy"

Manantena ahita inona aho. Miandrandra ny habakabaka
Ka mitazana ny volana mangasoaso soa
maniry ahita anao?-ka mivetso tononmbavaka
ito foko mahatsiahy... Te ahita anao tokoa.

Manantena an'iza hamaly aho. Ao anaty fisentoana
njary tafateny irery amin'izao hariva izao
ka miresaka amin'ny volana no manadina azy etoana!
Izato foko mahatsiahy... Te handre ny feonao.

Manantena inona aminy aho. Mangatamaso
amin'ny volana manara, baliaka soa mangasoaso
fa ny foko mahatsiahy... Amin'nao no mitaraina!

Fa ny volana, ny volana tsy miteny tsy mivolana
fa mibanjina mangina... Mahonena fa ny volana
mihamitsonika sy lany... Tsy mby akory ny maraina.

Antsa tononkalo.R 27-09-18
--------
Rohy:
1033 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149