Mievina irery (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mievina irery amin'ny ali-mangina
Embona kely mba sendra nandalo
Tsy misy mamaly,fa lavitra tiana
Tsy nisy manoina, indrisy mimalo

Tsarona ny lasa ka dia malahelo
Hatramin'ny rora nanjary mangidy
Ô! Kalon-jorery ka mamelovalo
Ny sento mipongatra injao mitadidy

Fa lasa ny tiana ka mamerovero
Kanefa tsy tana fa lasana ihany
inty re ry volana mba ampanatero
itony veloma, velomako izany

Veloma hoy ny foko, veloma hono hoe:
Veloma masiana tratraran'ny ela
Ny nofoko hono ny tenako anie
Indrisy mahatsiaro ka tsy afaka vela!

Mievina irery amin'ny ali-mangina
Kanefa mba zovy ny hoe nahatsiaro
Tsy nisy, tsy misy... Fa lasa ny tiana
Raha nisy dia sery sy embona no nifangaro.

Antsa tononkalo.R 05/05/19
--------
Rohy:
903 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147