Ny jiroko, lany? (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nosoratana tao anatin'ny haizina ho an' i Riankanto ny fitia

Ny jiroko,lany?
I
Ry kalon-jorery mikomy sy mioko
Hontsa, onena sy mamelovelo. . .
Toa miantso toreo,toa miantso toloko !
Mamendrofendro ity fo malahelo ?

Oh Rivodrivotra kely misary tadio,
manaitra ny vovoka mandry amin-tany
Ny foko mahatsinjo no ditsoka anio,
mifi-dranomaso hanala an'izany.

II
ilay ranomaso mba saika hanalana,
dia solika monja mba sisa ampiasain'
ny jiron'ny foko. . . kanefa, ka ana
madiva ho ritra, madiva ho maina !

Mangina ry foko... Raha ho tonga ilay ora,
Ka mety haharitra ny jironao ihany !
Tsia, tsy havelako ho faty, ho tsofiko mora
Ho tsofiko mora, tsy havelako ho lany.
Fa efa matsora.
III
koa haizina sisa mandrakotr'ilay,
efi-manginan'ny foko efa resy
hiantsoan'ny nofin'ny mandrakizay
Sy ireo torimaso. . . hifanesisesy

Ry kalon-jorery miritsoka avy any
mba hitomanio re ity foko oriory
ity fo oriory, izay ritra tomany ?
'ndeha hanakipy ny masony. . . Hatory !
Oh! Ny jiroko,lany.

Antsa Tononkalo .R 18/04/18 23:36

*écrit dans l'abysse ténébreux ,
--------
Rohy:
903 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144