"Veloma hoy ny foko" (Antsa tononkalo.R)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Veloma hoy ny foko"I
Ny lokon'ny lanitra...Velory manga
ny fanatenana, manga tanora
Kinanjo dia hiofo, vasoka, vanga...
Ry fanatenako milofika mora !
Ny tempon'ny foko mihaiva dia iva,
ny feony reko? ambany dia ambany
ny orany sisa no... He! manadiva
Maila-pitsaika, ho vonon-ko, tany !
II
Mihalany mihalany, ny jiron'ny aiko
Mitsonika mora, ny androko lany
Mihavosa mihavosa, madisa e! ny saiko?
Ah! Tsy inona akory, fa vovoka ihany !
Marefo marefo, ny sela amin'ny rako,
ny ratran'ny foko, misonga misonga
Eh! Vovok'izatsy, no ndeha hiafarako?
Vovoka monja dia tany sy bonga !
III
"Veloma hoy ny foko": ny feony reko
Tsaroaka sahady fa mamy ny mody
lahatra anefa, dia indro ekeko,
Ry fahafatesana... Aza manody !
Ny lokon'ny lanitro? -Velory manga...
Satriko hijanona mandava taona,
oh! indrisy fa niofo dia vasoka,vanga
Hisalotra voalin'ny mainty fisaona !
Antsa tononkalo.R 25/03/2018 23h:46 nosoratana tamin'ny mamantonalina,
fony saiky... in*Hianao no mahalala
--------
Lien:
Catégorie :
Fahafatesana - Fisarahana - embona - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
antsa tononkalo.R