Tara (Antso32)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy tara loatraTara loatra vao nahasahy
Indrisy tara loatra
Tara loatra ianao ry lahy
Fony izy mbola tokana
Dia nolanianao nibanjinana ny hakantony ny fotoananao
Ka tsy tao an-tsainao mihitsy ny niteny hoe "tiako ianao"
Noheverinao mantsy fa ho eo foana izy
Kinanjo tsy izany no izy
Izao izy efa lasa
Eny an-tratran'olon-kafa
Sambatra sy faly
Fa ianao kosa aty
Manenina sy may
Miteny hoe "tahak'izay"
--------
Lien:
Fans:
Lah'fahtra
Commentaires
Lah'fahtra
(
25/09/2017 20:06)
betsaka no tratran'io a!